Mba ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, dia vary simba roa kamiao milanja 60 taonina no tra-tehaky ny Zandary efa ho herinandro lasa izay. Mpamongady avy amin’ny Faritra Analamanga iny no mivarotra azy any an-toerana, afangaro amin’ny vary tsara ,avy any amin’ny faritra Diana iny no nangalana azy. Raha ny fanazavana azo, dia taorian’ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana, dia nanao ny sakana an’ilay fiara lavarambo na “ semi-remorque” roa samy nitondra vary lo telopolo taonina avy, ary mitotaly 128 gony kosa ny fitambaran’ireo vary lo tao anatin’ireo fiara roa ireo, teo akaikin’ny BPR na Brigade Police de la Route no nahasarona azy ireo, ka natao avy hatrany ny fisavana sy ny fitsirihana, ka sarona teo ireo vary efa simba tanteraka, izay mbola hamidy sy haparitaka any amin’ny tsenan’Antananarivo. Nandritra ny fisavana no nahalalana, fa tsy misy taratasy ireo vary lo ireo. Ary tonga dia nogiazan’ny Zandary avy hatrany izany, tao anatin’ny herinandro lasa izay, araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia ny minisiteran’ny fanjifana sy ny varotra eto Betsiboka kosa no manokatra ny fanadihadiana sy ny famotorana.
Ratantely