Mampihorohoro ny dahalo ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Notafihan’ny andian-dahalo nitam-basy indray mantsy tao amin’ny fokontany manodidina an’ Ambalaranobe, ny Alatsinainy lasa teo, ka omby maromaro tsy voafaritra isa no azon’ireo malaso tamin’izany, ary vehivavy bevohoka iray no nalain’izy ireo, natao takalonaina, hoy ny loharanom-baovao azonay hatrany. Efa tany amin’ny 50km nitondran’izy ireo an’ilay vehivavy vao navotsotra ny tenany, fa ny omby ihany no nentin’ireo malaso . Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka ankehitriny ato amin’ny distrikan’i Maevatanàna, izay toa tsy misy fanefitra intsony, dia mandry andriran’antsy sy miaina ao anaty tebiteby ny ankamaroan’ny mponina,ka mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro sy mpiraharaha intsony.
Ratantely