- Publicité -
mardi, janvier 27, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna :  Vita soa aman-tsara ny famindram-pitatanana teo amin'ny fitaliavam-paritry ny Mponina sy...

Maevatanàna :  Vita soa aman-tsara ny famindram-pitatanana teo amin’ny fitaliavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Betsiboka

Notontosaina ny Alarobia faha 21 Janoary taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 03 ora tany ho any ny famindram-pitatanana teo anivon’ny fitaliavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina hoan’ny talem-paritra mpisolo toerana teo aloha Atoa TSIMAHOLIARIVONY Chrystal sy ny talem-paritra vaovao Atoa RAKOTONDRAZAVA Laurent Gérard. Izany moa dia notronon’ireo solotenam-panjakana miasa sy monina eto Maevatanàna, ny solotena avy any amin’ny Minisitera foibe, talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina an’i Boeny, ary ireo sampantserivisy miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa notanterahana tao amin’ny efitranom-pivorinan’ny Zoky olona ny famindram-pitatanana teto.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter