Hatairana ny an’ireo mponina tany amin’ny manodidina ny fokontanin’Antanambao, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny harivan’ny talata faha 29 aprily taona 2025 teo iny, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany, rehefa nahita sy naheno ny loza niseho. Raha ny angom-baovao voaray teny anivon’ny polisim-pirenana eto Maevatanàna hatrany dia avy nanao » Lavage, » an’ilay fiara ny mpamily no niakatra nitondra ny fiara taksiborosy teny amin’ny Gare routière, ka teny an-dalana eo anoloan’ny bar Piment vert no nifanena tamin’ny bajaja iray ity farany. Tampoko teo anefa dia nisy lehilahy iray tokony ho 48 taona eo niampita taorian’ilay bajaja, izay tsy tazan’ity mpamily fiara taksiborosy rezionaly ity. Vokany: voafaoka ihany ray aman-dreny na dia efa niezaka nitazona ny hisatra aza ny mpamily. Nentina nalaky teny amin’ny hopitalibe Morafenokely eto Maevatanàna an-tampon-tanàna ranamana, saingy namoy ny ainy ora vitsy nitondrana azy tany. Efa nomena ny fianakaviany any amin’ny tanànan’Ankaramainty, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beratsimanina, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny razana. Notanana hatao famotorana, ao amin’ny biraon’ny polisy ny navanon-doza, aorian’ny hitondrana ny raharaha eny amin’ny fampanoavana, ary nampidirina ambalam-pamonjana kosa ny fiara taksiborosy rezionaly manao zotra Maevatanàna sy Mahajanga. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia nitondra fanentanana ny » Chef Commissariat sécurité publique de Maevatanàna, » mba tokony hanaja ny hafainganam-pandeha ny mpamily fiara rehetra sy bajaja, rehefa eto an-tanàn-dehibe no mitondra ny an-tota taratasy makasika ny fiara ihany koa, mialohan’ny hitondrana ny fiara. Ny olona dia tokony hanaraka sisin’arabe, sady mba mijery ny an-kavia sy an-kavanana mandritra ny fiampitana arabe.
Ratantely