« Miady amin’ny asan-jiolahy na ireo jiolahy madinika izany, na ireo jiolahy mpitondra basy manafika, izahay, araka ny baikon’ny minisitray». Izay no nambaran’ny Kaomisera Andrianirina Herimalala misahana ny Kaomisaria ny renivohitr’ i Maevatanàna. Ny herinandro teo, dia nanamafy ny fanangonam-baovaony ny polisy ankehitriny, indrindra amin’izao famakiana ady ataon’ny jiolahy amin’ny mpitandro ny filaminana izao. Vokany ; nisy ny fahatratrarana ny ekipan’ i Solobila tao amin’ny fokontany Anosy kely Avaratra. Niaraka tratra taminy koa ireo namany 7 ka mbola vao 20 taona ny iray, izay monina any amin’ny kaominina Mangabe. Tra-tehaka tamin’izy ireo koa ny basy kalaky roa, ary moara, entina manafika sy mamaky trano fampiasan’ireto ekipa ireto. Ny angom-baovao ihany no nahalalana fa ny ekipan-dRasolobila no nanafika mpandraharaha iray tany Andranomamy, izay nahavery ny vola maty ny tontolo andro. Marihina moa fa namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ity mpandraharaha voalaza etsy ambony ity. Efa natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy 06 novambra teo i Solobila sy ny ekipany. Manao antso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vaohoaka koa ny polisy, satria ahitam-bokatra hatrany io fifanampian’ny roa tonta io.
Ratantely