- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Voatafika ny tranon’ny katesista, olona roa lasa an-keriny

Maevatanana : Voatafika ny tranon’ny katesista, olona roa lasa an-keriny

Azo lazaina fa mavaivay tanteraka ny asan-dahalo sy fakàna takalonaina ity any amin’iny faritra Betsiboka iny. Ny sabotsy lasa teo izao, dia tranon- katesista iray tany amin’ny kaominina Tsararano no nataon’ny dahalo fahirano. Vokany, voadaroka ny vadin’ity mpitarika fivavahana ity ary olona roa lasan’ireo dahalo an-keriny. Omby manodidina ny 40 tany ho any kosa no lasan’ireo dahalo tamin’izany. Tao amin’ny fokontany Begogo no nitrangan’ity fanafihana miharo fakàna takalonaina ity, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny namana any an-toerana. Am-polony maro ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io no tonga tao amin’io tanana io ; izay nirongo basy. Nentina nampitahorana ireo fokonolona dia narefodrefotr’izy ireo ny basy talohan’ny hidirana tao an-tanana. Mazava ho azy fa teo anoloan’izany dia tsy nisy sahy nivoaka ny mponina. Nanararaotra araka izany ireo olon-dratsy nanangona ireo omby teo an-tanàna. Ary tsy vitan’izay, fa nanao amboletra niditra tao amin’ny tokantranon’ilay katesista. Tamin’io fotoana io, araka ny vaovao hatrany, dia tsy tao an-toerana ilay mpitarika fivavahana fa ramatoa vadiny sy lehilahy lehibe roa no tao. Tsy nisalasala araka izany ireo olon-dratsy nidaroka sy namono an’ilay ramatoa hitakiana ny vola. Tsy nanaiky izy ireo raha tsy nahazo dimy hetsy ariary, ary nentiny nanaraka azy ireo an-keriny ireo lehilahy roa. Taorian’ny fanafihana vao afaka niantso vonjy tamin’ireo mpitandro filaminana ireo voatafika. Nisy avy hatrany ny fanaraha-dia natao ka raikitra ny fifandonana. Fantatra, fa azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy ny omby. Avotra soa aman-tsara koa ilay lehilahy iray, saingy ilay namany dia mbola nentin’ireo olon-dratsy. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana any an-toerana.  Fa tamin’io fotoana io ihany koa, dia nisy fanafihana roa hafa   tany amin’ny fokontany Antongombe sy ny tany amin’ny sampanana Anosikely. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy, saingy omby maromaro no lasan’ireo olon-dratsy. Araka ny angom-baovao azo, dia azo heverina fa mety ho iray tarika tamin’ireo nanafika katesista ihany ireto olon-dratsy nanafika tany amina tanana hafa ireto. Saingy mbola eo am-panaovana fanadihadiana moa ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici