Omaly maraina no fantatra fa votsotra teny am-pelatanan’ireo dahalo ilay ankizivavy kely vao efa-taona monja, nalaina an-keriny ny sabotsy faharoa martsa lasa teo. Hatreto dia tsy nisy aloha vaovao azo mahakasika izay fahafahan’ilay ankizy izay. Nisy vola naloa tamin’ireo mpaka an-keriny ve sa noho ny ezak’ireo mpitandro filaminana manokana izay tsy nandry andro tsy nandry alina, nanara-dia sy niezaka nikaroka izay nisy ny fitobian’ireo olon-dratsy? Andrasana araka izany ny fanazavàna avy amin’ireo tompon’andraikitra.
m.L / Ratantely