Ny sabotsy tolakandro teo no nahitana ny fatin’ilay zazalahikely 14 taona, teny atsimo/atsinanan’ny tanànan’Antanindro, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ka ny mponina teny amin’ny manodidina nandeha niasa volamena no nahatsikaritra izany. Taorian’izay no nahazo antso an-tariby ny mpitandro ny filaminana, ary tonga dia nidina ifotony nalaky, niaraka tamin’ireo mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Teo no voamarina fa vono olona nihiniana natao no nihatra tamin’ilay zazalahikely, sady mbola nahitana dian’antsy niisa sivy ny lamosiny. Tsy niandry ela ny polisim-pirenana fa niroso tamin’ny fikarohana, ary ny androtr’io ihany no voasambotra, ireo Zaza tsy ampy taona nanao ny famonoana. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa saika ho hatao sorona, ity novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity. Niaiky ny heloka vitany nandritra fanadihadiana natao izy efadahy, raha ny fanazavana voaray teny anivon’ny polisim-pirenana eto Maevatanàna hatrany. Efa nomena ny fianakaviany moa ny razana. Mitohy tsy misy hatak’andro kosa ny famotorana sy ny tena atidoha nikotrika tamin’izao loza nahatsiravina izao.
Ratantely