
Misy mpanakorontana ve ao amin’ny Magro sa ny olona no leo rehefa tsy nahomby ny ezaka natao hatramin’izay? Vao lasa ny Dokotera Jean Louis Robinson ny tolakandron’ny alaboria teo dia raikitra ny sahotaka kely tao amin’ny Magro. Ny antony dia noho ny fisian’ny “mpanakorontana” izay tafiditra tao anatiny ka niteraka ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana. Nisy nanao barazy sy nandoro kodiarana tao anatin’ireo olona marobe. Noravain’ny mpitandro ny filaminana izany ary raikitra koa aza ny fifanenjehana nony avy eo. Raha ny fantatra dia nisy olona roa voasambotra tao anatin’ity raharaha ity. Ny olon’ny Magro dia nanazava avy hatrany fa tsy miara-dia amin’izy ireo velively ireny olona nandoro kodiarana sy nanao barazy ireny. Amin’izy ireo dia mpanakorontana tsotr’izao ary koa mpikarama an’ady entina handotoana ny hetsika ao amin’ny Magro ary koa entina hampijanonana ny tolona ao an-toerana. Asa anefa raha ho voafaritry ny fanadihadiana izay hatao amin’ireo voasambotra raha tena mpanakorontana tokoa ireo olona ireo.
D.R