- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMahabe-Betsiboka : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanolana zana-bady

Mahabe-Betsiboka : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanolana zana-bady

Mihazakazaka be ny raharaha, rehefa eo am-pelatanan’ny Zandary, manoloana fisiana tranga fanolanana tany amin’ilany atsimo disitrakan’ Tsaratanàna, efa ho iray volana mahery lasa teo izany. Araky ny vaovao izay nivoaka teto amin’ny gazety mpiseho isan’andro, dia nahitana fanolan-jazavavy dimy taona, tany amin’ny toerana hoe atao hoe: Mahabe, fokontany ao ihany, kaominina Breville, ato anatin’ny faritra Betsiboka, ny faha-25 Febroary Janoary lasa teo. Naheno sy nahazo fampitam-bavaova teny anivon’ny fiaraha-monina ny Zandary ao amin’ny brogady Breville manoloana ity tranga ity, na dia nataon’ny fianakavian’ilay Zaza , tsy hisy hafantatra aza ny fanolanana nisy, noho ny fatahoran’izy ireo hamafin’ny lalàna hiatra amin’izay minia manao fandikan-dàlana, satria ny raikely tao an-trano ihany no navanon-doza. Tsy niandry ela tamin’ny fikarohana ny Zandary, fa tonga dia nandray ny andraikiny avy hatrany, ary tratra sy voasambotry ihany ilay lehilahy nampiasa ny fialahan-dratsy tamin’ny zana-badiny, raha nahazo vaovao tamin’olona tsara sitra-po ny Zandary fa hoe misitrika ao amin’ny faritra manodidina ny kaominina voalaza ety ambony ranamana. Taorian’ny famotorana nataon’ny Zandary, no tonga dia natolotra ny tonia mpapanoa lalàna, tany Ambatondrazaka ilay lehilahy nanolana zana-bady, tokony efapolo taona eo, ny andron’ny talata faha 27 Febroary teo. Tsy maro resaka ny mpitsara nandritra izany, rehefa nahita ny  » dossier » teo amban’ny masony, fa naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka izy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici