- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMahabibo RN4 : Dahalo mpanakan-dalana maty voatifitry ny zandary

Mahabibo RN4 : Dahalo mpanakan-dalana maty voatifitry ny zandary

Efa ela no nikarohan’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Marovoay ity jiolahy rain-dahiny, malaza ratsy amin’ny resaka halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana, vono olona ary isan’ireo mpanakan-dalana amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Ny alin’ny alatsinainy teo dia fantatr’ireo zandary fa miafina ao amin’ny namany iray ao Mahabibo RN4, kaominina Ankazomborona, distrikan’i Marovoay, ny lehilahy. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any. Raha vao nahatazana fotsiny ireto mpisambotra azy anefa ity olon-dratsy 42 taona ity dia nitsoaka, nanararaotra ny haizina sy ny fahafantarany ny toerana. Raikitra teo ny fanenjehana azy. Niezaka nampitandrina an’ity farany ihany ireo zandary saingy mafy loha tsy nijanona ingahy, sady mbola nihantsy ireo mpanenjika. Voatery nitifitra araka izany ireo zandary, nentina nampijanona azy. Voan’ny bala izy ary tafajanona, saingy noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana ny ainy. Taorian’ny fitsirihana ny razana nataon’ireo mpitsabo tany an-toerana moa dia efa natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany ho amin’ny fandevenana. Marihina fa mbola misy ekipany miriaria any, ary eo am-pikarohana izany ireto mpitandro filaminana ireto. Azo lazaina araka izany, taorian’ny nahalavo ity dahalo ity fa mety mba hilamindamina amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ireo mponina any amin’iny distrikan’i Marovoy iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici