Dahalo manodidina ny 50 lahy, mirongo kalach no nanafika ny kaominina Analamitsivalana, any amin’ny distrikan’i Mahabo, omaly vao maraim-be. Vokany, olona iray maty voatifitr’ireo olon-dratsy, zaza amam-behivavy telo kosa no lasan’ireto olon-dratsy nataon’izy ireo talakalonaina. Maromaro ihany koa ireo olona naratra vokatr’izany. Tetsy andanin’izay, omby am-polony maro no lasan’izy ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany. Araka ny fantatra dia nanao fanamiana mpitandro filaminana ireto mpanafika ireto tamin’io fotoana io. Tsy afa-nanoatra sy niantso vonjy ireo mponina raha tsy efa lasa ireo dahalo. Nandray ny andraikiny avy hatrany kosa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana nanao fanarahan-dia, nampian’ireo fokonolona teo an-toerana. Tratra tamin’iny lalam-pirenena faha-35, mihazo an’Ankilizato any amin’ny kaominina Ampanihy iny ireo mpangalatra, omaly folakandro. Velona avy hatrany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Hatramin’ny omaly hariva, dia fantatra fa mbola ao anatin’ny fifandonana tanteraka ireo malaso sy ireto mpanara-dia ireto. Hatreto, dia efa nisy latsaka ireo omby lasa. Mbola tsy nahenoam-baovao kosa ny mahakasika ireo olona telo nalain’ireto olon-dratsy ireto an-keriny.
m.L