Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesan’olona indray tamin’ny RN35, 500 metatra tsy hiditra ny tanànan’ Ankilizato, Distrikan’i Mahabo, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Raha ny vaovao voaray, dia fiarabe iray nitondra gony katsaka sady mbola nitondra mpandeha 40 mahery avy namonjy tsena, tao Akorampara any amin’ny Kaominina ambanivohitry Befotaka no tra-doza, ka nivadika ambony ambany. Vokany : olona efatra no maty tsy tra-drano, mpandeha 38 naratra mafy ka ny dimy tamin’izy ireo dia nalefa haingana tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Morondava, fa ny 33 ambiny kosa manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II-n’ Ankilizato, izay mbola arahi-maso akaiky ankehitriny ny toe-pahasalaman’izy ireo.
Eric Manitrisa