- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahabo : Miaramila lavon’ny dahalo

Mahabo : Miaramila lavon’ny dahalo

Tao amin’ny fokontany Tsinjorano, eo anivon’ny distrikan’i Mahabo no nisy ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny dahalo. Ny asabotsy teo no raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ary izany dia tafiditra tao anatin’ny « opération Kobay » izay natao hiadiana amin’ny asan-dahalo. Isan’ny nandray anjara tao anatiny ny miaramila kilasy faharoa antsoina hoe Randriamaherisoa. Io farany dia miasa eo anivon’ny Toby Ankilizato (base opérationnelle avancée) ary nokilasian’ny tompon’andraikitra ho isan’ny miaramila namiratra tokoa. Omaly dia nanome ny teny fampaherezana ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena noho ny naha-lavo ity miaramila ity. Any amin’ny faritra isan’ny mafana amin’ny asan-dahalo eto amin’ny nosy i Menabe. Midy aman’aina hatrany ny mpitandro ny filaminana rehefa manao fanarahan-dia satria sady mihoatra amin’ny isan’izy ireo ny dahalo no koa mitazona fitaovam-piadiana izay tsy voatery ho basim-borona irery ihany fa tonga hatramin’ny kalachnikov indraindray. Tsy vitan’izany fa ao anatin’ireo dia misy olona izay matetika nahazo fiofanana hiady sy mitam-basy. Tena ady anaty akata tanteraka no iainana any amin’ny faritra betsaka dahalo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici