Maty tsy tra-drano voatifitry ny jiolahy ny polisy iray tao Mahabo faritr’i Menabe, ny alin’ny talata 5 novambra lasa teo.
Tsy vao sambany akory no nandrenesana fahafatesana mpitandro filaminana toy izao vokatry ny tsy fandriam-pahalemana. Saika tsy mifidy asiana intsony ireo jiolahy fa na hatramin’ny polisy aza ankehitriny dia sahin-dry zalahy tafihana. Toy izany ity vao nitranga tany Menabe ity ka namoizana aina mpitandro filaminana . Voalaza araka ny loharanom-baovaoa marim-pototra fa tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tany ho any ireo jiolahy nirongo fiadiana mahery vaika no nanafika tokatrano iray misy ity polisy ity. Niezaka niaro ny fianakaviany sy ny fanany ihany ity voatafika, saingy tsy nitsisy ireo jiolahy fa avy hatrany dia nitifitra ka lavo teo no ho eo ilay polisy ary tsy tana intsony ny ainy. Fantatra moa araka ny loharanom-baovao hatrany fa nisy vola sahabo ho 2 tapitrisa ariary lasan’ireo jiolahy. Rehefa izany dia nitsoaka nandositra ireo jiolahy, tsy nisy sahy nihetsika kosa ny tao an-trano raha vao nahita ilay polisy lavo tamin’ny tany. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any Mahabo amin’izao fotoana ary inoana ny hisian’ny vokatra haingana azo raha ny fanazavana voaray hatrany.
Andry N.