Tsy mbola ahitam-panafana mahomby hatramin’izao ny firongatry asan-dahalo any amin’iny tapany Atsimo Andrefanan’ny Nosy iny, ka mandry tsy lavoloha ny mponina. Lasibatry ny fanafihan-dahalo indray ny tao Ankiliabo any amin’ny distrikan’ i Mahabo, ny zoma lasa teo tamin’ ny 4 ora hariva. Lasan’ny malaso mirongo basy tamin’izany ny omby 45 tamin’ny valan’ombina mpiompy iray tao an-tanànan’i Savonga. Nanao tifi-danitra sesilany ireo dahalo tamin’ ny fidirany tao amin’ ity tanàna ity, ary nivantana tamina tokantrano iray. Norahonan’izy ireo tamin’ ny vavabasy ny iray trano ka tsy afaka nanohitra sy niantso vonjy. Nigalabona ireo dahalo namoaka ny omby rehetra tao am-bala. Mbola nampihorohoro tamin’ny tifitra tsy an-kiato ihany ireo malaso sady nandroaka ny omby nivoaka ny tanàna. Raha ny vaovao voaray, dia tsy nisy sahy nivoaka ny tranony ny olona teo an-tanàna. Lasa ireo mpandroba vao raikitra ny hazolava ary niroso tamin’ ny fanarahan-dia avy teo. Raikitra ny fifandonana tao amin’ ny kizon’ i Manamby, toerana izay fieren’ ny dahalo avy manafika. Nahita ny fokonolona nanao vy very ny ainy ireo malaso ka navotsotr’ izy ireo ny omby halatra rehetra, ary efa tafaverina tamin’ny tompony ny fananany. Mbola karohina koa ireo dahalo nandositra hatramin’izao, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa