- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Renim-pianakaviana roa nataon’ny malaso takalon’aina

Mahabo : Renim-pianakaviana roa nataon’ny malaso takalon’aina

Tsy afa-po nandraoka ny omby rehetra tao am-bala ireo dahalo nanafika tao an-tanànan’i Malanjaka Mahabo, ny alarobia teo, fa nitondra vehivavy roa niaraka tamin’izy ireo nitsoaka ho takalon’aina. Ny nahagaga ny rehetra rehefa dify ny tanàna notafihany ireo malaso dia navotsotra ny vehivavy iray efa zokizokiny, nentiny nanaraka azy foana ilay tanora, izay mbola tsy hita hatramin’izao, raha ny fampitam-baovao azo farany. Tsy nahitam-bokany ihany koa  ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ny olon-dratsy.

Mitsoaka ny mponina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana mahazo laka any an-toerana dia betsaka ny mponina any ambanivohitra no mitsoaka ny tanàna misy azy, ka mifindra lasy akaiky tanàn-dehibe noho ny tahotra. Vokatr’izany, tavela ny asa fivelomana toy ny fambolena sy fiompiana ka fahantran-dava no iainan’izy ireo. Mangataka « opération coup d’arrêt » amin’ny fanjakana ny vahoaka any an-toerana hiadiana amin’ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka amin’izao hiverenan’ny fahalemana.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser