Dahalo no nokarohina ka toaka gasy no saron’ireo zandary tao Manadabe distrikan’i Mahabo. Nidina tany amin’io toerana io ny zandary izay notarihin’ny komanda kompanian’i Manja, ny lietna Andrianantenaina Michelson Bejamin ny Alatsinainy teo rehefa nahazo vaovao fa misy dahalo miafina ao an-toerana. Raha vao nahatsikaritra fa karohin’ireo zandary ireto dahalo dia nandositra avy hatrany. Heno fa ny iray tamin’izy ireo dia tsy lasa lavitra fa miafina ao amin’ny Reniny. Namonjy ity trano ity avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tsy tao intsony anefa ity farany fa ny reniny eo am-pivarotana toaka gasy no tratra novantanin’ireo zandary. Natao avy hatrany ny fisavana ny trano ka toaka gasy 600 litatra no sarona tao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo ary netina namonjy ny kaompanian’ny zandarimaria ao Manja. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo dahalo izay tafaporitsaka.
T.M.