- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMahaboboka – Sakaraha : Asan-dahalo, zaza mpiandry omby iray naratra mafy

Mahaboboka – Sakaraha : Asan-dahalo, zaza mpiandry omby iray naratra mafy

Taorian’ny nahafatesana zandary sy miaramila, volana vitsivitsy lasa tao Sakaraha, dia tsapa fa mirongatra izay  tsy izy indray ny asan-dahalo.

Ny alatsinainy 3 septambra lasa teo, tao Mahaboboka, dia zaza mpiandry omby iray no voatifitra ny dahalo ary naratra mafy, ka lasa ireo omby. Voatery nentina notsaboina any Toliara ilay zaza. Araka ny vaovao voray tany an-toerana, dia mirongatra indray ny asan-dahalo tato ho ato, volana vitsy taorian’ny nahafatesana zandary sy miaramila.  Amin’ny 6 ora hariva no miditra an-tanàna ireo jiolahy ka hatramin’ny 10 ora alina. Tsy mandry andro sy tsy mandry alina ny mponina ao an-tanàna,koa manao antso vonjy amin’ny manampahefana mahefa mba hanamafy ny paikady ho entina hiady amin’izao tsy fandriampahalemana misy any an-toerana izao.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici