Nisehoana loza an-dranomasina tany amin’ny vavaranon’i Mahajamba, tamin’ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Vokany, olona iray no maty, iray tsy hita ary enina kosa avotra soa aman-tsara. Araka ny fantatra dia mpandraharaha maka drakaka ireo niharan-doza ireo. Ireny sambokely haingam-pandeha ireny no nampiasain’izy ireo. Rehefa ho avy anefa ny loza dia tsy nisy azo natao. Ny orana koa avy tsy nijanona. Efa hiverina hody any Mahajanga ireto mpanarato ireto izao niharan-doza izao. Mbola mitohy ny fikarohana an’ilay olona tsy hita hatramin’ny omaly.
Mahery vaika ny ranomasina amin’izao andro ratsy izao ary tokony hanaraka ny fepetra omen’ny tompon’andraikitra ireo mpiandriaka ireo.
r.s.