Teo imason’olona ary teo an-dalambe no niady izy roalahy. Ary tena nifamono ho faty noho ny hafanam-po. Rehefa nianjera tamin’ny tany ny iray dia namoahan’ilay mpifanandrina taminy antsy maranitra. Tsy nananan’io farany antra na kely akory aza fa notsatotsatohany tamin’izany. Rehefa lavo dia iny izy no nitsoaka teo an-toerana. Noezahin’ny olona nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra saingy tsy tàna intsony ny ainy noho ny fahavoazana be loatra. Nisy tsindron’antsy iray nifanandrify ny fihirifany no tena isan’ny nitarika ny fahafatesany.
D.R