Noho ny sakoroka niseho tao Doany Miarinarivo efadahy Manankasina, tao amin’ny fokontany Tsararano Ambony, Distrikan’i Mahajanga I, ny alatsinainy teo, izay naharatrana olona vokatry ny tora-bato sy ny vely kibay, nandritra ny fanokafam-baravarana nataon’ny tariky ny Ampanjaka Rasamimanana, saingy tsy navelan’ny tariky ny Ampanjaka Rasoamody nikasika na inona na inona iry voalohany, no niteraka ny korontana. Izany no nahatonga ny tao amin’ny Prefektioran’i Mahajanga, omaly naraina, namoaka naoty fa tsy azon’iza n’iza atao, afa-tsy ny ben’ny varavarana ihany, ny mifamezivezy ao amin’ity Doany ity. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia noraisina ity fanapahan-kevitra fandrarana ity hatramin’ny fotoana tsy voafetra, mba ho fandaminana amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fampandriana fahalemana eny amin’ny Doany.
Ady tombontsoa. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia noho ny fisian’ny vola be amina miliara mihodina ao amin’ity Doany ity mandritra ny fanompoabe no mahatonga ny fifandroritana sy ady saritaka tsy mety vita efa ho folo taona izay, saika isan-taona eo amin’ny samy taranak’Ampanjaka rehefa hanomboka ny fanompoabe. Manoloana ny olana misy ankehitriny ao an-toerana, dia ahiana ny tsy hahatomombana ny Fanompoa amin’ity taona ity, satria andro sisa isaina dia tonga ny fotoanan’ny fanompoabe. Nanamafy moa ny avy eo anivon’ ny Prefektioran’i Mahajanga, fa raha misy fifanomezam-pitokisana fa hifandamina ny roa tonta, dia ho foana eo no ho eo ny naoty navoakan’izy ireo.
Eric Manitrisa