Tranga hafahafa no niseho tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny alatsinainy alina lasa teo, nandritra ny lalao ara-panantanjahantena an-tsekoly. Ankizivavy maromaro, avy amin’ny fari-piadidim-pampianarana Vakinankaratra no indray niara-nanao « krizy ». Valo miraharavavy izy ireo , hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pejin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ao anaty tambajotra sosialy. Raha ny zava-nitranga, dia voalaza fa avy niatrika ny fifaninana tamin’ity lalao ara-panantanjahantena an-tsekoly ity izy ireo no sendra an’izao zavatra nahazo azy izao. Samy nilaza izy ireo fa nahatsiaro tena ho hafahafa sy nalemilemy avokoa. « Eny fa na teny ambony kianja aza dia nahatsapa ireo mpanabe fa niova ny filalaon’izy ireo. Nandritra io lalao io, nahagaga hoy hatrany ireo mpanabe fa nilaza ho tsy nahazaka ilay baolina « hand » intsony ireo ankizy teny ambony kianja. Nisy fotoana aza moa tsy hita tampoka atramin’ny mpiandry ny tsatoby fa kay nitsoka an-daharana izy naka toerana raha vao nahatsapa fa hafahafa tamin’ny vatany » hoy hatrany ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nihanihetsika mahery izany « krizy » izany, nony tonga tany amin’ny toerana nitobian’izy ireo, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Teo ho no eo ihany dia nentina namonjy ny Fiangonana loterianina tao Tsaramandroso, Mahajanga ireto ankizivavy nihetsika aretina ireto, ary mpiandry maromaro no nandray an-tanana azy ireo. Nandritra ny ora maro ny niasan’ireto farany tamin’izany. Nentina namonjy ny toby nisy azy ireo nony avy teo, rehefa nilamindamina. Nentina nialàna tamin’ny fikorotanan-tsain’ny maro anefa dia mbola natokana efitra aloha izy ireo. Omaly, raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny Ministera hatrany dia efa salama tsara ireo ankizy ary tsy misy ahiana intsony. Marihana fa samy nandray andraikitra tamin’ity tranga hafahafa ity avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tany an-toerana. Na dia teo aza izany dia nizotra am-pilaminana ny fifaninana ara-panantanjahan-tena an-tsekoly, izay tontosaina any an-toerana amin’izao.
m.L