Taorian’ny fanafihana nahery vaika nitranga tao Anjiajia, ny sabotsy lasa teo, izay nandrobana dahalo 30 mahery mpivarotra maromaro sy ny olona tao an-tanàna, ka lasan’ireo mpanani-bohitra tamin’izany : ny vola, telefaonina, volamena, lamba fitafy maro, . . . , dia dahalo 14 tamin’ireo nanafika sy nampihorohoro tao amin’ity tanàna ity no voasambotry ny Zandary, ary anaovana fanadihadiana ao Mahajanga. Araka ny tati-baovao voaray, dia sarona niaraka tamin’ireto dahalo ireto ihany koa ny fitaovam-piadiana nentin’izy ireo nanatanteraka ny asa ratsiny , toy : ny basy, bala, antsy, famaky ary pilotra. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia mbola mitohy kosa ny fikarohana an’ireo dahalo tafaporitsaka.
Eric Manitrisa