Dahalo 31 maty lavo nandritra ny fifanjevoana, 50 hafa voasambotra. Omby 1607 no very ka ny 1122 tamin’ireo no tafaverina tamin’ny tompony. Basy miisa 18 no azo teny an-tanan’ireo dahalo sy sarona nandritra ny fisavana ka ny 5 amin’ireo basy vita gasy, ny 12 “calibre 12” ary ny roa PA. Araka tati-baovao azo, dia ny Faritra Betsiboka sy Melaky no tena faritra mena nahitana asan-dahalo sy halatr’omby betsaka indrindra, tamin’ ny taona 2017 iny. Noho ny firongatry ny halatr’omby, dia nahatratra 24 ny fangatahana vaovao ahazo miaramila hanao DAS any amin’ireo kaominina ambanivohitra izay tsy mbola manana biraon’ny mpitandro ny filaminana, ka tsy maharaka ny fangatahana ny isan’ny miaramila azo alefa mamita iraka any ambanivohitra mampandry fahalemana.
Eric Manitrisa
Farafangana
Lakana rendrika, olona 3 avy nandevina maty
Nitrangana lozam-pifamoivozana an-dranomamy nahafatesana olona telo tany Farafangana, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Lakana iray avy nandevina nitondra olona miisa folo no redrika tao amin’ny reniranon’ i Manapatrana, ka avotra soa aman-tsara ny mpandeha fito, raha maty dobo an-drano kosa ny telo. Araka ny vaovao farany azo dia mbola faritra mena hatramin’izao ireo toerana sy tanàna manamorona ny reniranon’i Manapatrana sy Mahafasa, satria mbola tsy nidina ny mari-drefin’ny rano mahatratra 8m no halaliny.
Eric Manitrisa