- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Fametahana afisina kandidà iray tamin’ny fiaran’ny Zandary, hatolotra ny fitsarana ireo...

Mahajanga : Fametahana afisina kandidà iray tamin’ny fiaran’ny Zandary, hatolotra ny fitsarana ireo olona voasambotra

Niteraka resabe tao anatin’ny tambazotra sosialy « facebook » ny fiparitahan’ny sarin’ny fiaran’ny Zandarimaria nisy afisina kandidà iray ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka,  tany Mahajanga. Manoloana ny fanosoram-potaka, dia tsy niandry ela ny teo anivon’ny Zandarimaria fa nampiseho ny fahaiza-manaony ireo Zandary mpanao famotorana miasa ao amin’ny « cybercriminalité », ka voasambotra ireo naniraka sy nametraka ny « affiches de propagande » tamin’ny fiaran’ny Zandary sendra nipetraka vetivety tamin’ny arabe. Tamin’ny famotorana natao azy ireo, dia samy niaiky ny heloka vitany ireo mpanely vaovao tsy marina, izay nanaratsy sy nanendrikendrika ny Zandary ho miandany manao fampielazan-kevitra amina kandidà iray. Raha ny fanazavana azo, dia tratra ilay nametaka afisy, ary nilaza izy fa nisy naniraka hametaka izany eo, ary naka sary avy teo. Nomeny olona iray hafa ilay sary, ary ity farany indray nanome olon-kafa  ka namoaka izany tamin’ny tambazotra sosialy mba hanasoketana ny Zandarimaria. Hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ireo voasambotra. Nanamafy ny avy eo anivon’ny Zandarimaria tamin’ny fampitam-baovao nataony, fa « Tsy manao propangady ny Zandary, ary tsy momba olona iray na antoko iray ny Zandarimaria, fa ho an’ny  Malagasy rehetra, ary manaja ny sata mifehy azy. »

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici