- Publicité -
lundi, juillet 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Fanafihana karana, olona enina atao fanadihadiana

Mahajanga : Fanafihana karana, olona enina atao fanadihadiana

Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana ao Mahajanga, ka fantatra izao fa taorian’ny fanafihana fivarotana karana iray tany any an-toerana ary nahafaty olona roa, olona enina no nosamborina atao fanadihadiana. Nahazo vaovao ry zareo ary avy tamin’izany no nahafahany nisambotra. Ny polisy ao Mangarivotra no misahana ny fanadihadiana azy ireo, izany dia mba hahitana ny tena marina mikasika iny raharaha iny.

Fa omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, tonga marobe nanoloana ny biraon’ny polisy ny olona. Misy amin’izy ireo no akaiky ireo niharan’ny voina. Mitaky hamoahana ireo olona hatao fanadihadiana ireo ry zareo, hanaovana fitsaram-bahoaka. Teo anatrehan’izany, tsy nilefitra ny mpitandro ny filaminana ary niezaka nandresy lahatra ireo olona an-jatony maro ireo hiparitaka. Misy moa ireo resy lahatra avy hatrany ary niala teny Mangarivotra. Nisy ihany kosa ireo izay mbola nihainohaino teny an-toerana. Efa hariva vao niala tsikelikely. Nanomboka omaly dia nohamafisina ny fisafoana ataon’ny polisy.

Ny talata teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, jolahy telo nitondra basy mahery vaika no nandroba fivarotana karana iray tao Mahabibo. Sady mpivarotra ity olona ity no mpanakalo devizy. Teo anatrehan’ny basy, nomen’ilay mpivarotra ny zavatra notadiavainy ireo jiolahy. Raha vao nandeha anefa izy ireo, dia notifirin’ilay karana saingy tsy voa. Namaly tifitra ireo olon-dratsy ka voa teo amin’ny tànany ilay karana. Nalain’ireo mpandroba ny basiny. Tamin’ny fotoana nandosiran’izy ireo, narefodrefotrany ny basy. Olona valo no indray voan’izany. Ny iray maty teo no ho eo, ny faharoa mpitarika posy, maty afaka fotoana fohy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser