Velom-pisaorana ireo mpitandro ny filaminana ny vahoaka teto Mahajanga tamin’io vokatra io. Efa nikoizana lotra mantsy ireo jiolahy teto an-toerana, ny amin’io asa fanafihana sy fampihorohoroana io. Mpandraharaha karana iray sy ny zanany no lasibatra tamin’ilay fanafihana mitam-piadina. Iny izy namonjy fodiana hariva iny ilay karana vavy 41 taona sy ny zanany kely, tokony tamin’ny 6 ora latsaka teo no efa nisy niandry teo am-bavahady. Teo ihany dia nosintonin’ireo jiolahy ny sakaosy nisy ny vola teny an-tànan’ilay ramatoa, raikitra ny fifampisintonana. Rehefa nandrahona nanao tifi-danitra ireo jiolahy, dia lasany ihany ny volabe nitentina 300 tapitrisa. Vaky nandositra izy ireo avy teo no sady nitifitra izay sendra azy. Vokany, zazakely iray voatifitra teo amin’ny tànany ary tovolahy iray hafa voatifitra bala roa avy tao an-damosina. Izy ireo izay teo no ho eo dia samy nentin’ny fokonolona nampakarina tany amin’ny hopitaly avy hatrany.
Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona teto, fa nifarimbona nanara-dia na nitondra basy poleta sy antsy aza ireo jiolahy ireo. Ny sasany nampandre ny mpitandro ny filaminana haingana, tao ireo nanaraka tamin’ny môtô ary ny sasany nandeha tongotra. Vetivety ny fampandrenesana ka nanamora ny fanarahana nataon’ireo polisy.
Bajaj no nampiasain’ireo jiolahy efatra nandosirana, nitsofoka tany amin’iny faritry Tsararano iny ary tonga tany Ambondrona. Rehefa lany ny bala nampiasain’ireto farany, dia nidina izy ireo nitsofoka tany anelakelantrano teny akaikin’ny paraky Sambatra Andovinjo iny ka tany no nifanenjehana indray ka lavon’ny balan’ireo mpitandro ny filaminana ny roa lahy. Ny iray voasambo-belona ary ny iray hafa kosa tafaporitsaka.
Efa eo am-pelan-tanan’ireo mpitandro ny filaminana ny raharaha ankehitriny ary ao anatin’ny famotorana tanteraka an’ilay iray efa voasambotra izy ireo hatramin’ny alin’ny Alatsinainy nahazoana azy. Efa hanaovana fikarohana lalina koa ilay iray nitsoaka sy ilay bajaj nampiasain’ireo jiolahy, satria efa azo avokoa ny mombamomba azy. Ny amin’ity farany izay nametrahan’ny tale iraisam-paritry ny polisy baiko hentitra, fa ho mafy ny fisavana ary ho hentitra ny fanaraha-maso satria ny bajaj sy môtô amin’izao fotoana no tena lasa fampiasan’ireo jiolahy amin’ny fanaovany ratsy.
Hatreto, mbola miady mafy amin’ny fahasalamany eny amin’ny hopitaly be ny Androva ilay tovolahy 20 taona voatifitr’ireo jiolahy tao an-damosiny raha efa nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ilay zazalahy kely 11 taona voatitra teo amin’ny tanany. Tsy nisy naninona fa salama tsara etsy ankilan’izay ilay ramatoa karana sy ny zanany.
Tantely Vandriam
Mahajanga – Fanafihana mitam-piadina : Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy, iray voasambo-belona
Articles qui pourraient vous intéresser



