- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Fanafihana tao Mahabibo, olona 5 niakatra Fampanoavana

Mahajanga : Fanafihana tao Mahabibo, olona 5 niakatra Fampanoavana

Omaly no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona rehetra voarohirohy tamin’ny fanafihana mpivarotra ka nahafatesana olona roa tao Mahabibo Mahajanga, tamin’ny herinandro lasa. Araka ny fantatra dia misy teratany frantsay iray sy mpiasan’ny fonja iray anisan’ny voarohirohy amin’izany asan-jiolahy izany. Raha ho an’ny zandary manokana dia dimy ireo olona vita fanadihadiana tany amin-dry zaeo ary izao eny amin’ny fitsarana izao, anisan’izany ireo oloan roa voatonona etsy ambony. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa, tsy vita omaly izany fihainoana azy dimy ireo izany, ka hitohy anio ny raharaha. Etsy andaniny, nisy ihany koa olona nosamborin’ny polisy tamin’ity fanafihana ity ary efa vita fanadihadiana ihany koa. Enina ny isan’izy ireo. Tsiahivina fa andro vitsy taorian’ny fanafihana niharo vono olona, dia efa nisy ireo voasambotra, tao Mahajanga sy tany amin’ny toeran-kafa. Tamin’ny andron’ny fandrobana, naratra voatifitry ny jiolahy ilay tompon’ny tsena, mpivarotra sady mpanakalo vola vahiny. Lasan’ireo jiolahy ny basiny. Tamin’ny fotoana nandosiran’ireo olon-dratsy, nitifitra ry zalahy ary nahavoa ka nahafaty olona roa teny an-dàlana.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser