Notafihina jiolahy miisa telo mirongo basy mahery vaika ny mpivarotra teratany karàna iray ao Mahabibo Mahajanga, ny talata 09 jona 2015. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 20 000 000 ariary miaraka amin’ny basy P.A. iray an’ilay Karàna. Olona valo ankoatra izay no notifirin’izy ireo ka roa tamin’ireo no namoy ny ainy. Teo amin’ny 5 ora sy sasany hariva no nitranga ny fanafihana. Niditra ny fivarotana ireo jiolahy, tsy misaron-tava. Avy hatrany dia nanambana sady nandrahona an’Atoa Karim, mpivarotra sady mpanakalo vola vahiny, mba hamoaka ny vola rehetra, araka ny fitantaran’ity mpivarotra. Niezaka namaly izy raha ny voalazany fa rehefa nihamafy ny fandrahonana, hoy izy, dia tsy maintsy nilefitra ka noraofin’ireo jiolahy avokoa ny vola.
Fifampitifirana. Rehefa hivoaka ny varavarana ireto jiolahy dia namoaka basy ary niezaka nitifitra azy ireo Atoa Karim, saingy tsy nahavoa azy ireo. Nisampotina nitifitra azy kosa ireo olon-dratsy ka voa teo amin’ny tànany ilay Karàna ary nohararaotin’ireo jiolahy nakana ny basiny izany. Nandritra ny fitsoahan’ireo jiolahy, dia nanao tifitra variraraka izy ireo hisavany làlana handosirana malaky, ka olona fito hafa teny an-dàlam-be indray nonotifirin’izy ireo, izay vehivavy ny iray tamin’ireo. Maty taorin’izay, vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ny hehilahy iray araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana tonga avy hatrany teny an-toerana. Ireo olona enina hafa naratra kosa, nalefa malaky tany amin’ny hopitaly CHU PZaGa Androva, Mahajanga. Namoy ny ainy ihany koa anefa omaly alarobia maraina 10 jona 2015, ny lehilahy iray tamin’izy enina tao amin’ny hôpitaly ireo. Mpitarika posy mbola am-perinasa izy io, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana ihany.
Nitohy hatramin’ny 03 ora maraina teo ny fikarohana ireo jiolahy, araka ny vaovao nomen’ny avy ao amin’ny zandary, fa mbola tsy nahitam-bokany ary mbola mitohy ny fikarohana, hoy izy ireo, hatramin’izao ora izao.
J.R.