Rehefa avy natolotra ny Fampanoavana, omaly maraina, ireo efatra mianadahy tra-tehaky ny Polisy tamin’ny fanaparitahana vola sandoka iray alina Ariary mitentina 1,456 tapitrisa Ariary, dia nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Marofoto Mahajanga. Araka ny fanazavana azo, dia nanomboka ny harivan’ny alahadin’ny Paska teo no nanaparitahana ny ampahany tamin’ireo vola sandoka marobe, ka andiam-behivavy maromaro no nandeha niara-niditra nisotro labiera tamina « bar » iray tao Tsaramandroso Ambany, ary rehefa nandoa vola lany tamin’ny fisotroana izy ireo, dia vola sandoka iray alina Ariary ankiefatra no natolotra. Mahana sy tonga saina tamin’ny fihetsik’ireto andiam-behivavy mirevy ireto ilay tovolahy mpivarotra, satria vola iray alina Ariary sandoka hatrany no avoakan’ izy ireo, fa ny famerim-bola vola tena izy kosa tazomin’ireo mpisoloky sy hampiriminy nandritra ny fisotroana. Ary rehefa notsirihina ireo vola, teo vao fantatra fa sandoka avokoa. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny lasibatra, ary natao ny fikarohana an’ireo olon-dratsy nitsoaka. Taorian’ny vela-pandrika nataon’ny Polisy, tra-tehaka ny mpivady mpisoloky sady mpanaparitaka vola sandoka. Nitohy ny fikarohana ary voasambotra ihany koa ny roa vavy avy aty Antananarivo ; izay mivahiny ao Mahajanga, mpamatsy ireo vola sandoka, ary mbola nahatrarana vola sandoka iray alina Ariary mitotaly 1,456 tapitrisa Ariary tao an-tranon’ izy ireo.
Eric Manitrisa