Iray amin’ireo zazarano narian’ireo tsy mataho-tody tany anaty ranomasina teto Mahajanga io zaza menavava amin’ny sary io. Raha ny nambara dia zaza vao teraka izy io no tsy azo ka narian’ireo ray aman-dreniny tany amin’ny ranomasina. Ireo olona sendra nirihariha teny amin’iny faritry ny « Village Touristique » iny no nahatsikaritra izany nifonofono tao anaty gony, ary izy ireo no nampandre ireo mpitandro ny filaminana misahana ny fiambenana ny sisin-dranomasina. Efa lasa fanaon’ny maro io fihetsika io amin’izao fotoana. Fomba izay tsy fantatra aloha hatreto hoe avy amin’ny inona no antony tena hanaovana azy, sady tsy hahafahana mandevina ilay zazarano, sa ve dia fandikan-dalàna fotsiny tsotra izao. Tsy tranga vao voalohany akory io fa efa nisy tahaka io ihany koa niseho tany amin’iny faritra Amborovy iny. Manoloana io tranga io, nampitandrina ireo mpitandro ny filaminana ny amin’ireo ray aman-dreny minia manao ny fihetsika tahaka izao. Misy ny lalàna mifandraika amin’izany, hoy izy ireo, ka tsy handefitra ireto farany raha toa ka misy ny fahatratrarana izany.
Tantely Vandriam