Olona dimy no naratra mafy. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Mahajangabe omaly, raha nodomin’ny fiaran’ny mpiambina ny Filoham-pirenena ny taxi-be iray nanala olona tao an-toerana. Tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any no nitrangan’ny loza, araka ny fampitam-baovao tany an-toerana. Avy nanatitra ny Filoham-pirenena tany amin’ny seranam-piaramanidina ireo mpiambina azy ireto, izay nandeha fiara tsy mataho-dalana iray. Tsy fantatra mazava anefa izay nahazo ny mpamily teny an-dalana, fa tsy voatanany intsony ny familiana. Nivantana avy hatrany tany amina fiara fitateram-bahoaka iray, nanala olona ity fiara 4×4 ity, ary namarana ny diany teny amina vodi-hazo teo akaiky teo ihany. Mafy dia mafy ny fifandonana satria dia nikisaka niala teo ami’ny arabe mihitsy ilay taxibe. Potika tanteraka kosa ny lohan’ilay 4×4. Olona efatra no naratra tao anatin’ilay fiara mpitatitra olona : ilay mpanampin’ny mpamily izay mbola variana nanala olona, ary mpandeha telo. Fa ankoatra izay dia zandary iray tao anatin’ilay fiara nisy ireo mpiambina ny filoha kosa no naratra mafy, izay voatery nosokirina tao anaty fiara, raha ny loharanom-baovao hatrany. Hatreto dia mbola tsy fantatra izay tena antony nahatonga ity loza ity fa efa nanokatra ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitalin’Androva kosa ireo naratra vokatr’ity loza ity.
m.L