Manomboka izao, tsy azo atao ny manjono fano, voarara ihany koa ny fihinana azy io
Nitera-doza indray tany amin’ny Faritra Boeny ny fihinanana soka-dranomasina antsoina ihany koa hoe fano. Olona 5 no maty ary 42 no tsy maintsy nampidirina hopitaly tao Mahanjanga. Nanomboka ny sabotsy 10 may lasa teo tao amin’ny Fokontanin’Antsahanitia, kaomina Belobaka, distrikan’i Mahajanga II, no niseho izany . Olon-dehibe 29 sy zaza 10 tamin’izy ireo no naiditra maika teny amin’ny CHU Androva. Sokatra azon’ny mpamitana an-dranomasina ny zoma 09 may hariva teo izy io ka nifampizaran’ny teo an-tanàna araka ny fanazavan’ny sefo fokontanin’Antsahanitia, tanàna amoron-dranomasina any amin’ny 25 km avaratr’i Mahajanga renivohitra. Zaza telo volana ka hatramin’ny telo taoana avokoa ireo maty ka ny roa maty avy hatrany tany an-tanàna, ny efatra kosa teny amin’ny Hopitaly. Nifindra tamin’ny alalan’ny nonon’ireo reniny nihinana ilay sokatra no namparary ireo zaza, raha ny fanazavan’ny dokotera Andrianirina Zo, mpiandraikitra ny sampana fitsaboana ny zaza ao amin’ny CHU Androva. Amin’izao fotoana izao, zaza efatra no mbola tsaboina hanaovana famonjena ao amin’ny famelomana ainan’ny fitsaboana zaza amin’izao ora izao. Sempotra ary tsy avy miaina, toy izay ny fisehon’ny aretina teo amin’ireo zaza ireo. Mandoa sy mivalana kosa ny teo amin’ireo lehibe, hoy ny mpitsabo. Fampisotroana rano betsaka mba hisorohana ny fahaverezan-drano malia izay mitarika fahafatesana malaky, sy fanadiovana ny aty vavony sy tsinay amin’ny lavement hanalana ny poizina no fitsaboana maika natao ireo marary, hoy ny dokotera. 4 sisa ireo marary mbola notazonin’ny hopitaly fa ny sisa kosa efa nihatsara toe-pahasalamana ka nalefa nody.
Mamita iraka manokana eto Mahajanga moa ny ministry ny Jono sy ny Harena An-dranomasina, Atoa Ahamad, ny ministry ny Fitsarana, Rtoa Ramanantenasoa Noëline, ny ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikaraohana siantifika, Rtoa Rasoazananera Marie Monique ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Paza Didier Gérard ka nandeha nisolo tena ny governementa namangy sy nankahery ireo marary teny amin’ny CHU Androva omaly antoandro, niaraka tamin’ny lehiben’ny Faritra Boeny. Vola 400 000 ariary no natolotr’izy ireo ny sefo fokontanin’Antsahanitia hikarakarana ny marary rehetra. Ary nampanantena ny ministry ny Jono fa handray an-tànana ny lany rehetra amin’ny fitsaboana ireo mbola ao amin’ny hopitaly. Nidina any an-toerana nijery akaiky ny fototry ny loza sy hizaha ireo mety ho marary hafa ny talem-paritry ny Jono eto Boeny. Hiroso amin’ny fanadihadiana manokana ny amin’ny anton’izao fanapoizinana azo avy amin’ity hazan-dranomasina ity izao ny ministeran’ny Jono sy ny Fahasalamana ka nanome baiko ny ministra Ahamad fa voarara aloha manomboka izao ny fanjonoana sy ny fihinana Fano na soka-dranomasina.