Napetraka eraky ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny sariny sy ny mombamomba azy. Izany dia taorian’ny fisian’ny fanafihana mitam-piadiana misesisesy tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga ka nahatonga ny fisokafan’ny fanadihadiana izay nanondro ny fisian’ity lehilahy iray antsoina hoe Manjota, izay ahiana ho isan’ny tompon’antoka tamin’ireo heloka bevava izay niseho. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia mbola fanafihana mitam-piadiana ihany koa ny anton’ny nidiran’io rangahy io am-ponja. Tsy mbola nahavita sazy izy dia efa navadika irakiraka eo anivon’ny fonja ireny. Tao anatin’izay no nanararaotra nitsoaka ary dia niverina nanao fanafihana mitam-basy indray, raha araka ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana izay mikaroka azy rahateo amin’izao fotoana. Tsy vao voalohany no misy tranga toa izao ary ireo mpanao fakàna an-keriny matetika no tena avoaka amin’ny fika izay efa araky ny besinimaro, tsy mifanalavitra amin’ny famadihana ho irakiraka ny olona voakasika. Havadika ho mpanao asa amin’ny mpandraharahan’ny fonja (main d’œuvre pénale) dia mitsoaka nony avy eo. Na ny mpitandro ny filaminana aza dia efa maharaka an’izany lalao maloto izany ihany koa satria be loatra ireo jiolahy izay tokony mbola mamita sazy kanefa efa mivoaka dia miverina manao ny heloka bevava izay fanaony indray. Mandeha ankehitriny ny fikarohana an’i Manjota ary na ny olon-tsotra aza dia nampahafantarina an’izany mba hahafahan’izy ireo mifanampy amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ilay voarohirohy ho mpanao fanafihana mitam-piadiana.
D.R



