- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga II : Roalahy niady, maty voakapa famaky ny iray

Mahajanga II : Roalahy niady, maty voakapa famaky ny iray

Ny alahady lasa teo no nisehoan’ity vono olona ity  tao Mahajanga tao amin’ny fokontany Marosakoa.Tsy fantatra marina ny fototry ny fifamaliana fa dia nanomboka niakatra ny feo ary tsy nijanona teo amin’ny fifamaliana intsony fa niova lasa fifamonoana,moa va tsy irony mitranga amin’ny sarimihetsika ireny. Rehefa samy tsy nety resy dohika ireto roalahy dia tapa-kevitra ny hiady. Ny iray nitana famaky fa ny tetsy ankilany kosa nitana antsy, niezaka ny nanasaraka ihany moa ny manodidina fa tsy nisy azo natao satria zava-maranitra no nampiasain’ireto mpiady. Rehefa avy nifanambana ny roa tonta dia avy hatrany dia nikapa famaky ity mpifanandrina aminy ilay lehilahy iray, niboiboika ny rà ary avy hatrany dia nidaraboka tamin’ny tany ity farany. Lalina dia lalina ny fery ka tsy tana ny ain’ity lehilahy voan’ny famaky.

Raha vao nahita ny fisehoan-javatra ilay lehilahy iray dia nirifatra nitsoaka ary tsy mbola hita hatramin’izao  anoratanay izao ny misy azy. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha amin’izao fotoana ka hitadiavana izay toerana nieren’ity mpamono olona,ny razana kosa moa dia efa natolotra ny fianakaviany.Ny tendrom-po tsy mba namana tokoa matetika no hamoizana ain’olona rehefa miakatra mantsy ny hatezerana dia mahavita ny tsy tokony hatao ary tokony hisainana ihany amin’izay fihetsika.

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser