- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga II : Tafakatra 40 ireo matin’ny tazomoka mahery

Mahajanga II : Tafakatra 40 ireo matin’ny tazomoka mahery

Raha ny voalazan’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, dia olona fito (vokatra vonji- maika) no matin’ny tazo mahery tany Mahajamba, ny herinandro lasa iny, ka zaza avokoa ny dimy. Araka ny loharanom-baovao voaray anefa, efa tafakatra 40  ireo matin’ny tazomoka any amin’ny Distrikan’i Mahajanga II, ary fokontany dimy any amin’ny Kaominina ambanivohitry Mahajamba no tena mitondra faisana amin’ity valan’aretina bemangovitra ity, dia ny ao : Adabokely, Ambondromamy, Mahajamba usine, Aqualma Besakoa, Tsinjomitondraka Ampombolava, ka malemy sy fanina ary mandoa rà izay voany, ary raha vao tara manatona dokotera na mamonjy toeram-pitsaboana, tonga dia maty. Raha ny tati-baovao voaray, dia fiakaran’ny maripana no fiantombohan’ny aretina, ary mitovy amin’ny fisehon’ny tazo mahazatra ny fisehony, saingy mahafaty haingana dia haingana raha tsy mahazo fanafody ara-potoana.  “ Azo tsaboina tsara ity aretina ity, raha mahazo fanafody haingana ny marary, fa tsy araka ny tsaho mihely fa aretina hafahafa, saingy ny fahalaviran-toerana sy ireo marary any ambanivolo malaina mandeha mamonjy tobim-pahasalamana, mitanika ravin-kazo na fakan-kazo no maha betsaka ireo namoy ny ainy “, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Raha ny fantatra tamin’ny fanadihadiana natao, dia ao Ankadikely ihany no misy toeram-pitsaboana, saingy tsy ampy fanafody, ary ireo fokontany ambiny kosa dia tsy maintsy miampita any amin’ny fokontany hafa, lalana kilaometatra maro vao mahita mpitsabo. Taorian’ny ranobe niandrona tamin’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo iny, no tena nampirongatra ny valan’ aretina, saingy vitsy amin’ny mponina any an-toerana no mampiasa lay misy ody moka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici