- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Jiolahy nanendaka polisy nandeha moto, maty tsy tra-drano voatifitra

Mahajanga : Jiolahy nanendaka polisy nandeha moto, maty tsy tra-drano voatifitra

Jiolahy iray 19 taona, nanendaka rojo volamena an’ny Polisy nanao fanamiana sivily nandeha moto, no maty voatifitry ny Polisy, ny harivan’ny alatsinain’ny pentekôty teo, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany, tao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony, tampon-tanànan’i Mahajanga. Raha ny vaovao voaray, dia nitsoaka tany anelanelan-trano ity jiolahy ity rehefa avy nanendaka Polisy, ka nifanenjehana. Nanao tifi-danitra ny Polisy, nefa tsy nety nijanona ity mpanendaka fa nanohy nandositra hatrany. Taorian’izay, dia nirefotra in-droa ny basy, ka voatifitra teo amin’ny lamosiny sy teo amin’ny tendany ilay jiolahy, nefa mbola nanohy nitsoaka hatrany na dia efa naratra mafy nohosin-drà aza, ary niditra an-keriny tao anaty tranon’olona iray.

Jiolahy vao nivoaka ny fonja. Raha ny nambaran’ny Kaomisera Rakoto Richard Thomas, Lehiben’ny « Police judiciaire » ao Mahajanga, dia jiolahy efa malaza ratsy amin’ny sinto-mahery ity maty lavon’ny balan’ny Polisy ity, ary vao telo herinandro monja izy no nivoaka ny fonja, nefa izao namerina ny asa ratsiny izao sahady. Karohina fatratra atao hazalambo kosa amin’izao ireo namany tafaporitsaka. Manoloana ny firongatry ny asa ratsy ao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony sy ny manodidina, dia hisy ny « opération » savahao ataon’ny mpitandro filaminana hoentina hamongorana ireo olon-dratsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici