- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka, tifi-danitry ny polisy no nahavotra azy

Mahajanga : Jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka, tifi-danitry ny polisy no nahavotra azy

Afak’omaly  antoandro tokony tamin’ny 2 ora teo no nitrangan’ity loza ity teny amin’iny faritra Tsararano Mahajanga iny. Lehilahy  iray mpangalatra volamena no tratran’ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny. Samy namono ity jiolahy ity avokoa izay nahita rehetra , tao ny nively, nikapoka ny loha , nandaroka,.  Tsy nisy nahafantarana  azy intsony ity lehilahy ity  fa naratra mafy indrindra ny tarehiny, ary tsy nahatsiaro tena ihany koa  ity farany noho ny ratra nahazo azy. Ireto fokonolona kosa tsy nanaiky mora fa ny hahafaty ity lehilay ity no tanjona. Saika maty ity jiolahy ity raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana nanaparitaka ireto vahoaka maro tamin’ny alalan’ny tifi-danitra, teo vao samy niparitaka avokoa. Nentina avy hatrany teny amin’ny tombin’ny polisy kosa ity lehilahy mpangalatra ity natao famotorana na dia efa naratra mafy aza.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici