Fomba matipaika tanteraka amin’izao no hanadiovan’ireo dahalo ny omby hangalariny hahafahany mamatsy ireo tsena samihafa eto Mahajanga sy manerana ny faritra maro. Ankoatra ny fitondrana ireo fitaovam-piadiana dia efa mitondra taratasin’omby mihitsy izy ireo na FIB tena izy sy kavin’omby maromaro miaraka amin’ny fitombokasem-panjakana samihafa isan’ambaratongany. Lehilahy iray no trahatehak’ireo zandary teto an-toerana tany Amboromalandy, raha tafaporitsaka ny roa teo am-pisavana azy ireo nidina ny fiara nandehanany. Tratra tany anaty sakosiny avokoa ireo bokin’omby sy fitomboka ary fitaovam-piadina ireo miaraka amin’ny moara. Hita tamin’izay ihany koa ny karapanondrom-pirenen’ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, dia ilay mpividy sady mamarotra ireo omby. Ity farany mbola an-dalam-pikarohana azy amin’izao fotoana ireo mpitandro ny filaminana.
Basy tratra. Fa ankoatra ny fahatratrarana ireo halatra omby ireo. Nahazon’ireo zandary vokatra ihany koa ny tany amin’iny faritry ny distrikan’i Marovoay iny. Fitaovam-piadiana mahery vaika no tra-tehaka tany an-toerana. Tsy azo ampidirina eto Madagasikara izy io raha ny nambara, nefa dia niriaria sy nanaovana asa ratsy maro teto an-toerana. Araka ny fanampim-baovao voaray dia efa nisy tranga nahatratrarana io basy io tany amin’ny taona 2012, mbola tao Marovoay ihany. Efa nampakarina teny amin’ny Fitsarana ny raharaha nahafahana nitanana ilay basy. Telo taona aty aorina, izao izy mbola tra-tehaka tao Marovoay izao indray.
Na eo aza izany rehetra izany, tsy mahakivy anay amin’ny asanay izany, hoy ireo zandary. Mitohy hatrany ny asa fikarohana ahafahana mandrava hatramin’ny farany ny tambajotran’ireo mpanao ratsy. Izay iantsoana fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka eny ifotony ny fanomezana loharanom-baovao, hoy hatrany ireto farany.
Tantely Vandriam