- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Kaomisera voatifitry ny jiolahy

Mahajanga : Kaomisera voatifitry ny jiolahy

Voatifitra teo amin’ny kibony ary tao anatin’ny fiarany ihany. Izany no nanjo ny lehiben’ny kaomisaria rehetra (commissaire central), teo aloha, tao Mahajanga, mifanandrify amin’ny fokontany Antanambao-Ambalavato. Ny alin’ny alakamisy teo, manodidina ny tamin’ny valo ora sy sasany alina, no nisy andian-jiolahy nitam-basy nanafika azy. Lasa tao anatin’izany ny vola mitentina 40 tapitrisa ariary ary naratra mafy ny mpamily ny fiara. Mbola vitany ihany anefa ny nitondra an’izany mandra-pahatonga teny amin’ny hopitaly Androva. Olona efa nihoson-drà sy naratra mafy no noraisin’ny mpitsabo tao. Natao avy hatrany ny fanavotana ny ainy ary mbola tazonina ao amin’ny toeram-pitsaboana izy hatreto. Mameno an’i Madagasikara ankehitriny ny tsy fandriampahalemana ary ny olona izay tokony ho sarotra iharan’izany sy mpampihatra ny filaminana aza dia mbola hiharan’ny fanafihana koa. Mahajanga dia isan’ny tanàna milamina ary izany aza no antony mandrisika ny mpizahatany na malagasy izany na vahiny mitsidika azy sy miala sasatra any. Tongan’ny tsy fandriam-pahalemana koa anefa ny toerana ankehitriny ary efa maro izay fanafihan-jiolahy sy fakana an-keriny tao an-toerana izay. Isan’ny tena tadidin’ny maro ny fitifirana olona teo am-povoan-tanàna ary amin’ny andro antoandro. Taorian’izay, dia mbola nitohy koa ny fanafihana banky sy ny fakana an-keriny maromaro. Vetivety dia mampihemotra ny mpizahatany ny toe-javatra toy izany ary heverina fa mila araha-maso faran’izay maika ary hatao laharam-pahamehana ny famerenana ny filaminana. Momba ilay fitifirana komiseran’ny polisy, dia noraisin’io vondrona io avy hatrany ny fanadihadiana ary ny zandary kosa dia nilaza ny hanara-maso akaiky amin’ny fitrandrahana vaovao mba hanampiana amin’ny fikarohana ny olon-dratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici