Vokatry ny fandehan’ny rà be lotra taminy, 45 minitra monja taorin’ny nadraisana azy teny amin’ny sampana vonjy aina hopitaly Pzaga Androva dia tsy tana intsony ny ain’ilay Karana. Tamin’ny 8 ora sy 10 minitra teo no niseho ny fanafihana, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. Tsy nisy nanampo ny tranga fa samy mbola nifampiresaka tsara ny andaniny sy ny ankilany teo amin’ny manoloana ny fivarotana iray izay tsy lavitry ny « pharmacie Avenir Mahajanga be. Tsitapitapitra teo, nirefotra ny basy nisesy indroa, nianjera teo ambonin’ny motoany ilay karana noho izy naratra mafy. Ireo jiolahy roa tsy nisaron-tava kosa vaky nirifatra nitondra moto cross niaraka tamin’ny baoritra, izay nambaran’ny mpitandro ny filaminana teo akaiky fa nentin’io karana io. Lasan’izy ireo ihany ny finday tsotra kely teny aminy. Raha nanontanina ny vadiny mahakasika io baoritra io dia nilaza fa tsy nitondra vola afa-tsy 4 hetsy ariary izy nivoaka ny trano ary mbola hita tany am-posiny izany teny amin’ny hopitaly
Vao 45 taona monja io karana maty voatifitra io, Nassim no anarany manam-bady ary manan-janaka. Mpandraharaha amin’ny fivarotana fiara sy fitaterana mpianatra eto Mahajanga. Vao naheno ny zava-nitranga ireo fiombonamben’ny karana eto Mahajanga, dia nandray an-tanana ny fikarakarana avy hatrany. Nanao ny asany amin’ny famotorana sy fikarohana kosa tetsy ankilan’izay ireo mpitandro ny filaminana, toerana izay tsy lavitra ny tobin’ny zandary eo ampitan’ny orinasa Bonnet akory, ary feno mpitandro ny filaminana miandry orinasa eo amin’ny manodidina. Polisy mpiambina ny banky MCB teo ampita no niezaka nanao ny fanenjehana ireo jiolahy tamin’ny moto saingy tsy nisy tratra aloha izy ireo hatreto. « Douille »-na bala iray aloha no hita latsaka teo amin’ny faritra nisehoan’ny loza, izay fantatra fa nampiasaina tamin’ny basy PA iray.
Tantely Vandriam
Mahajanga : Karana mpandraharaha iray maty voatifitry ny jiolahy
Articles qui pourraient vous intéresser