Finakaviana karàna iray indray no lasibatry ny fakana an-keriny teto Mahajanga ny alakamisy teo. Raim-pianakavina 55 taona no lasan’izy ireo tamin’izany, izay tompona tranombarotra iray atao hoe Aly Madad etsy Mahabibo. Raha ny vaovao voaray dia mitam-basy avokoa ireo jiolahy ireo. Iny nivoaka ny mosquée avy nivavaka nandeha tongotra haka ny fiarany teo amin’ny parking iny ilay karana no nasesin’ireo jiolahy hiditra ao anatina fiara 4×4 hafa.
Araka ny vaovao hatrany teny an-toerana, efa nihaodihaody ora vitsy teny amin’ny manodidina teny io fiara io. 4×4 miloko mainty, marika Nissan, irony atao hoe « Navara »irony, mitondra ny laharana 3765TAB.
Tamin’ny fotoana nakan’ireo jiolahy ilay raim-pianakaviana, niaraka tamin’ny zanany 16 taona izy. Io zaza io dia nikiry nanaraka an-drainy saingy niverina moramora rehefa nambanan’ireo jiolahy tamin’ny basy. Araka ny fantatra dia tamin’ny 8 ora sy sasany alina teo no niseho io tranga io, fotoana vitsy monja dia niantso polisy ny tompon-kavana hanao fanarahan-dia, nefa tsy mbola hita aloha izay misy azy ireo hatreto. Ny vaovao re farany dia nitsofoka ny fokontany Tararano hihazo ny faritra Ambondrona iny ilay fiara 4×4, no dify tsy hita intsony.
Manoloana ity raharaha ity, tsy mipetra-potsiny ireo mpitandro ny filaminana fa miara-misalahy miaraka ny polisy sy zandary eto an-toerana. Manano sarotra ihany ny asa eto ho an’ireto farany, satria tsy nety nitory ireo tompon-kavana noho ny fahatahorana an’ireo jiolahy. Tahaka ny niseho tamin’ilay kidnapping teto Mahajanga tamin’ny volana oktobra teo iny.
Ny maraina teo ihany, namory avy hatrany ireo lehiben’ny fokontany rehetra eto Mahajanga, tao amin’ny biraon’ny distrika, ny talem-paritry ny polisimpirenena, nanamafy ny amin’ny tokony hisin’ny fiaraha-miasa matotra amin’ny fanomezana loharanom-baovao raha misy tranga mampiahiahy. Tapaka tamin’io koa fa haverina aloha ny andrimasom-pokonolona manerana ny fokontany rehetra mandra-pilamin’ny tanàna. Ny amin’io laharan’ny fiara voalaza etsy ambony io, dia fantatra izao fa laharana tsy izy no nampiasan’ireo jiolahy. Rehefa nataon’ny mpitandro ny filaminana mantsy ny famotorana tany amin’ny foiben’ny « centre immatriculateur » dia voalaza fa fiara kely no tompon’ilay laharana.
Amin’izao, mitohy ny fanadihadihana, mandeha ny fikarohana, andrasana izay ho tohiny…
Tantely Vandriam