Hatramin’izao, tsy mbola hita ilay Karana nisy naka an-keriny tany Mahajanga tamin’ny herinadro teo. Araka izany, manao antso avo ny havany sy ireo fikambanan’ny karana any an-toerana, ho an’ireo olona manana loharanom-baovao marim-pototra, fa hisy valisoa 5 tapitrisa ariary homena ary tsy hisy ny arakaraka. Hatramin’izao aloha dia olona enina no voarohirohy amin’ity rahahara ity. Efa atao famotorana izy ireo amin’izao fotoana izao. Ilay fiara Nissan voalaza fa nampiasaina tamin’ny fakana an-keriny, dia efa azon’ny zandary ary napetraka ao amin’ny toby misy azy ireo.
Etsy andaniny, nisy andian’olona nidina an-dalambe nitondra sorabaventy eran’ny tanàna omaly, ary milaza fa « Zanatany ». Ny aton’izao fidinana an-dàlana izao, dia ny tsy faneken’izy ireo ny fisamborana ny namany voatondro fa ao ambadik’ilay « kidnapping ». Ireo voasambotra ireo dia voalaza fa « Zanatany » avokoa.
Ny iray tamin’izy ireo aza moa dia irony antsoina hoe « foundy » mpitarika fivavahana amin’ny Mosquée irony. Niainga teny amin’ny EPP Firaisana Ambovoalanana io filaharana io ny maraina teo, namakivaky ny tanànan’i Mahajanga. Ny tanjon’izy ireo dia ny hilanja ilay soratra manoloana ny biraon’ ny zandary teny Mahajanga Be; izay mivaky hoe : « Delphin – Gendarmerie = kidnapping ».
Tamin’ny ankapobeny, nilamina tsy nisy korontana io filaharana io. Na izany aza, saika nanidy varavarana avokoa ireo tranombarotra sy dokany teny amin’ny sisin’arabe izay nandalovan’izy ireo. Manahy mantsy ireto farany, sao hoavy ny tampoka ka hanararaotra ireo mpanao ratsy. Eny fa na hatramin’ireo zandary aza moa nanidy ny vavahadiny, raha vao naheno fa manakaiky azy ireo ireto mpilahatra. Tao anatin’ny toby ireo zandary izay efa samy miaraka amin’ny fitraovam-piadiana avokoa niomana amin’izay mety hiseho.
Tantely Vandriam