Nisehoana asan-jiolahy mitam-piadina teto Mahajanga ny marainan’ny alatsinainy teo. Vao tamin’ny 7h30 maraina monja dia efa nitranga io seho io, teo amin’ny manoloana ny paositra Malagasy Mahajanga be. Araka ny fitantaran’ireo teny amin’ny manodidina, mirahalahy izy ireo no efa nihaodihaody teny an-toerana hanao ny asa ratsy. Tsy nisy nahalala izay mety hitranga ny rehetra ka tsy nisy taitra. Vao nisokatra foatoana fohy ireo kioska dia nanatona ny iray tamin’ireo ireo jiolahy, tahaka ny olon-drehetra handefa vola na haka vola. Nanontany ilay ramatoa izy ireo hoe: “ohatrinona ny mandefa vola 5 alina ariary”. Namaly tsy tam-pisalasalana ilay ramatoa hoe: “2000 Ar”. Vao tapitra ny valim-panontanina dia namoaka basy avy ao anatin’ny kitapony ireo jiolahy sady nierikerika nilaza tamin’ilay ramatoa hoe: “Ento aty iny kitapo eny aminao iny”. Tsy namaly moa ity farany fa avy hatrany dia nanolotra moramora izany ka nitsaoka avy hatrany avy eo ireo jiolahy. Io kitapo io izay voalaza fa nisy vola mitentina hatrany amin’ny 1 tapitrisa sy 3 hetsy ariary.
Avy teo amin’ny kioska ireo jiolahy , raha ny fitantaran’ireo teny amin’ny manodididna hatrany dia nandeha tongotra nitsofoka teny amin’iny lalana mankany amin’ny Jirama iny, sady nanambana basy hatrany an’ireo olona sendra nifanehatra taminy. Kay efa napetrak’izy ireo tao anekanelantrano ambadiky ny orinasa Madauto tao ny motoan’izy ireo, ka io avy eo no nandosirany.
Tantely Vandriam