- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Lakana rendrika, olona iray maty, iray tsy hita popoka

Mahajanga : Lakana rendrika, olona iray maty, iray tsy hita popoka

Lakana iray, nitondra mpandeha sy entana no dobo an-drano raha niala avy ao amin’ny seranan-tsambon’Aranta, Mahajanga omaly maraina. Vokany olona iray no namoy ny ainy, iray no tsy hita popoka hatramin’ny ora nanoratanay omaly ary saika latsaka an-drano tsy nisy azo noraisina ireo entana nentiny. Na izany aza anefa dia mpandeha 23 kosa no avotra soa aman-tsara, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Handeha hamonjy an’i Sankoany, Katsepy ity lakana ity no izao tra-doza izao. Voalaza moa fa vokatry ny vesatra be loatra, mihoatry ny lanja tokony ho zakany no nahatonga azy dobo an-drano toa izao. Tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, niezaka namonjy ireo tra-doza ary nisy ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ity loza an-dranomasina ity.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici