Raim-pianakaviana iray manodidina ny 42 taona eo no hita faty tao an-tranony, izay voalaza fa maty namono tena (nananton-tena tamin’ny daty), tao amin’ny Fokontany Tanambao Sotema Mahajanga. Raha ny fantatra, dia noho ny olan-tokantrano no nanosika an’ity rangahy ity nanapitra ny ainy, afak’omaly alina. Etsy andaniny anefa, ny fianakavian’ny maty tsy mino fa namono tena ny havan’izy, satria tamin’ny fotoana nahitana ny razana, dia ny tongony havia no nifatotra tady teo ambony fandriana, ary nisavoritaka avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny marina mahakasika amin’ity raharaha ity.
Eric Manitrisa