Faty efa nitsiatra no hitan’ny fokonolona teny amin’ny “bord de la mer “Mahajanja omaly tolak’andro tokony tamin’ny 2 ora . Araka ny vaovao voaray dia raim-pianakaviana 44 taona eo ho eo ity rangahy namono tena ity , ary voalaza fa namela mananon- tena sy kamboty kely iray izy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa nisy olana goavana teo amin’ny fianakaviana , ka tsy vitan’ity rangahy ity ny nieritreritra izany. Izay no nahatonga azy nanapa-kevitra ny hamona tena toy izao . “ Tsy nahazaka ny olana teo amin’ny fianakaviana izy ka izay no mety nahatonga azy nanao izao zavatra izao”, hoy hatrany ny fanazavan’ireo olona oalaza fa tena akaiky azy tokoa. Araka ny fanazavan’ireo olona nandalo ,dia efa tamin’ny 8 ora maraina ity rangahy ity no nipetrapetraka teo amin’ny bord Mahajanga saingy tsy nisy nanam-po azy hamono tena kosa . Rehefa nanao ny fizahana ny mpitsabo dia nilaza fa efa tamin’ny 10 ora maraina tany ho any ity rangahy ity no efa namoy ny ainy saingy tsy nisy nahatsikaritra ny mpandalo rehetra. Araka ny vaovao voaray hatrany dia voalaza fa mbola nahitana tavoahangy nisy toaka teny an-tananan’ity rangahy ity ary nahenoana fofon-toaka ihany koa ny vavany. Mpiasan’ny orinasa iray mpanao “ lojy black eyes” ao Mahajanga ity rangahy namona tena ity. Araka ny voalazan’ireo mpiara-miasa aminy dia mbola tonga niasa izy ity ny omalin’izao andro nahafatesany izao tsy naninona ary tsy nitaraina ny zava-misy ihany koa, fa ny maraina kosa izy no tsy tonga niasa intsony. Niantso an-telefaonina azy ireto mpiara-miasa fa tsy nandray antso intsony izy.
FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)