- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Lehilahy mpivarotra trondro novonoina tamin’ny tamin'ny fomba feno habibiana

Mahajanga : Lehilahy mpivarotra trondro novonoina tamin’ny tamin’ny fomba feno habibiana

Tovolahy iray sahabo ho 30 taona eo izay mpanamboatra lakana sy mpivarotra trondro monina ao amin’ny Fokontany Mahavoky Mahajanga no hita faty omaly naraina tokony ho tamin’ny 10 ora tany amin’ny Fokontany Aranta. Araka ny tati-baovao azo, dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy ity, satria notsatohana tamin’ny vy maranitra teo amin’ny lohany ka izay no nitarika ny fahafatesany. Raha ny fantatra dia ankizy maromaro nilalao teny amoron-dranomasina no nahita ny razana, ka ireto farany no nampandre ny olona teo an-tanàna tamin’ny tranga hitan’ireto zaza. Taorian’izay dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nizaha ny razana. Omaly ihany, dia efa nalain’ny havany ny vatana mangatsikan’ity tovolahy hita faty ity, ary misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny ireo nahavanon-doza  mahakasika an’ity vono olona mamohetra ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici