- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Manahy ny ainy ny mpampinatra sasany

Mahajanga : Manahy ny ainy ny mpampinatra sasany

Ramatoa izay tompon’andraikitra amin’ny lisea iray ao an-toerana no nisy nidaroka ary saika niala hatramin’ny ainy. Nokendain’ireo telo na efa-dahy izay tsy mbola fantatra mazava hatreto ny momba azy ireo, ilay ramatoa ary narahin’ireo teny mahery izany. Ny alakamisy teo no nitranga izany raha handeha hamonjy fodiana ilay mpanabe, teo Tsararano.  Mifamahofaho be ihany ny zava-misy satria raha ahiana ho fanendahana tsotra – satria tokoa nosintomina teny aminy ny paoketrany – dia toa ahiana ihany ho misy ambadika hafa ny raharaha. Ny mahatonga ny saina ho lasa any amin’izany dia vao tamin’ny herinandro teo koa no nisy mpampianatra izay vao avy naneho ny heviny tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana, dia nisy nifaoka mafy tamin’ny moto ary naratra mafy. Nitsoaka avy hatrany ny tompon’andraikitra. Na dia tsy niteny mivantana aza ny mpampianatra dia tsikaritra fa manahy ny ainy izy ireo. Raha ny zava-nisy mantsy dia nilaza tamin’ny fomba ofisialy ilay mpampianatra, tamin’ny haino aman-jery, fa nisafidy ny hiverina hampianatra. Ny fijerin’ny mpanao fanadihadiana azy dia ahiana ho misy hifandraisany amin’izany ny anton’ny fifofoana ny ainy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici